Fisolokiana – Gadralava roalahy voasambotra teny Ankorondrano
Ny 28 Mey 2015 dia tonga tao amin’ny orinasa iray eny Ankorondrano ny lehilahy nilaza fa hividy menaka fiara sy kodiarana amin’ny alalan’ny fandoavam-bola tsikelikely.
Nampiasa taratasy maromaro toy ny « patente » sy « Carte Statistique » ary « Registre de Commerce » amin’ny anaran’olon-kafa izay lazainy fa mpiara-miombon’antoka aminy. Nampiasa ny Kaontin’io Ramatoa io koa izy tamin’izany. Mitontaly 63 tapitrisa Ariary mahery ny tetibidin’ny entany novidiny ka naloany teo noho eo ny 9.484.200Ar ka ary ny ambiny haloany tsikelikely. Rehefa nojerena tany amin’ny banky ka nampanantsoina ilay Ramatoa tompon’ny taratasy dia voamarina fa hosoka avokoa ireo taratasy nampiasain’i lay lehilehy nividy entana ary nametraka fitoriana tao amin’ny polisy ilay orinasa voasoloky.
Ny Alarobia 17 Jona lasa teo anefa dia nisy roalahy antsoina hafa tonga hividy entana izay mitovy tsy misy valaka amin’ilay niseho tery aloha. Niatso polisy avy hatrany ny tompon’andraikitra ao amin’ ny orinasa ka noraisim-potsiny izy ireo. Karampanondrom-pirenena sy antontan-taratasy amin’ny anaran’olon-kafa no nentin’izy ireo nampiasaina tamin’izany. Tamin’ny fanadihadiana azy roalahy moa no nahalalana fa efa nangalatra finday avo lenta iray tao amin’ny mpivarotra finday iray etsy Ankorondrano izy ireo ny 04 Jona 2015 lasa teo. Hita tamin’ny “camera de surveillance” izy ireo tamin’izany.
Tamin’ny famotorana natao azy ireo no nahafantarana fa efa tena mpisoloky gaigilahy izy ireo satria efa nigadra teny Antanimora ny taona 2013 sy nisazy tany Ambalatavoahangy 2011 sy 2012 tamin’ny resaka taratasim-bola tsy misy antoka.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







