Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Andravoahangy – Tovolahy voaroba vola iray sakaosy

Nandritra ny tsena tamin’ny alarobia 18 jona tao Andravoahangy, tamin’ny 2ora tolakandro no nitrangan’izany. Tovolahy iray 23 taona nitondra vola roa sakaosy haterina no narahana jiolahy miisa fito avy ao aoriana. Mpiasan’ny mpamongady iray ao Andravoahangy ity ankizilahy ity ary efa fanaony ny mitondra volabe toy izao. Araka ny fantatra dia efa fahazaranan’ny tompon’ilay magazay no maniraka olona hanatitra vola azo maraina any an-tokantranony. Nisy nahatsikaritra anefa izany ka izao nihafara tamin’ny fandrobana izao.

Nobahanan’ireo olon-dratsy ilay notondra vola mba hakana an’ilay sakaosy teny aminy. Tsy nanaiky lembenana anefa ity farany fa niezaka nanohitra. Hitan’ireo jiolahy fa tsy ho azo mora ilay vola be dia notsatohan’izy ireo antsy ny lamosiny. Nitolefika ary nianjera tamin’ny tany izy. Nanararaotra izay ireo jiolahy nisintona ilay sakaosy teny aminy fa ny iray ihany no lasa tamin’izany.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre