Halatra vary 201 gony – Mpibata entana 15 lahy voasambotra
Nandamoka ny fanafihana saika ho tanterahin’ny jiolahy miisa 15 tao amin’ny magazay iray fitehirizam-bary tao amin’ny fokontany Tanambao V, ao Toamasina. Ny alin’ny alakamisy 18 jona, tamin’ny 11 ora no nisehoan’izany.
Mpibata entana tao ihany ireto nivadika ho jiolahy ity. Tamin’ny 12ora sy sasany antoandro no efa nanidy trano ilay mpivarotra rehefa voatatitra ny vary. Ny telo lahy tamin’ireo dokera anefa niafina tao ambadik’ireo gonim-bary fa tsy nivoaka. Izy telo avy eo no niantso ireo namany tamin’ny alalan’ny finday nametraka ny paikady rehetra hamoahana ny gona. Nisy nahatsikaritra izany
teo amin’ny manodidina ka nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana. Nidina teny an-toerana ny polisy hijery akaiky ny zava-misy ka tratra niaraka tamin’ny vary 201 gony ny 11 lahy. Nantsoina avy eo ilay teratany karana tompon’entana mba hamoha ny trano ka sarona tao ireo telo lahy rehefa natao ny fisavana.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







