Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Ho an’ny Ray !

Hankalaza ny fetin’ny ray isika rahampitso. Fety natokana ho an’ireo “dada” izany hoe lehilahy efa manan-janaka. Misy karazany io fiantsoana io ary efa lasa ho ny lehibe mpitarika no antsoina hoe ray amin’ny fikambanana sy antoko samihafa. Tsy vitan’ny fiantsoana fotsiny ny “ray” fa andraikitra goavana eo amin’ny fiainana iray manontolo. Olona mana-danja, tompon’andraikitra voalohany, ary andry iankinana izany ray izany. Eo anivon’ny finoana dia ny mpitarika fivavahana no antsoina hoe ray. Ho an’ny kristianina dia ilay Andriamanitra nahary izao tontolo izao no Ray. Eo antokan-trano kosa dia i dada no ray. Tompon’andraikitra voalohany amin’ny famelomana, fiarovana ary fananarana izy amin’ny ankapobeny. Indrisy anefa fa toa tsy manan-danja firy ny fetin’ny ray raha ny fikarakarana sy ny fankalazana izany no ampitahaina amin’ny fetin’ny reny. Toa vitavita ho azy eny. Tsy dia mivaky loha loatra amin’izany rahateo ny ray koa izay angamba no mahatonga io fomba fanao somary mangingina io. Tsy azo adino ihany koa anefa fa ankoatra ny famelomana sy ny fiarovana dia manana tambitambby tsy mena-mitaha amin’ny reny ny ray. Sandry iankinana sy tratra iondanana rahateo izy!

Be ny azo ambara mikasika ny ray sy ny andraikiny nefa kosa tsy azo hodian-tsy fantatra fa nametraka ary mbola mametraka tantara eto amin’ny firenena ny ray. Amin’izao disadisa politika sy savorovoro tsy mety voavaha eto amin’ny firenena izao dia ray avokoa no ankamaroan’ireo fototr’izany. Lehilahy, raim-pianakaviana avokoa ohatra ny filohan’andrim-panjakana rehetra eto Madagasikara. Tompon’andraikitra voalohany amin’ny asa fampandrosoana sy fandrindrana ny fiainam-pirenena izy ireny nefa izao iaraha-mahita izao no vokatra. Tsy mahagaga raha maro ny mangataka ny fanesorana sy fanoloana ireo ray rehetra filohan’andrim-panjakana. Tsy vitan’izany fa mbola ray ihany koa ny maro an’isa amin’ireo mpanao politika olom-boatendry sy olom-boafidy ary ireo hafa mitana andriakitra eto amin’ny firenena. Gisitra lava anefa i Madagasikara ary mitana ny rambony amin’ny fahantrana. Mbola ray ihany koa ireo lohandohan’ny mpisoronaa amin’ny fanaovana politika izay tsy mahay afa-tsy ny mandranitra sy manakorontana.

Tsy mahavita azy ve izany ny ray malagasy? Toa mitombina io raha atao indray mijery satria raim-pianakaviana avokoa ny fototry ny ankamaroan’ny olana eto. Ireny jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana ireny, ny dahalo, ny mpanolana, ny mamolava, …dia ray avokoa. Fa maninona no Hitsikitsika natao hivavahana lasa vorondolo mipaoka ny akoho? Misy antony kosa angamba no nahatonga izany e! Samy mikatsaka ny hahasoa ny fianakviany sy ny ankohonany nefa ny rafitra mipetraka tsy manome vahana ny fisondrotana eo amin’ny fiainana. Tsy mahagaga raha maro ireo marivo salosana mihevi-tena ho fetsy koa roboka amin’ny asa fatsy. Ilay tanjaka sy hery mampiavaka ny ray amin’ny reny dia navadik’ireo maty fanahy ho fitaovana entina hanaovan-dratsy.   Ny tarehiamarika avokan’ireo fikambanana mpiaro ny zon’ny ankizy sy ny vehivavy dia mampiseho fa raim-pianakaviana ihany ny ankamaroan’ireo mpanao hersisetra ao an-tokan-trano. Izy ireo natao hiaro indray no lasa ramatahora. Firifiry ny fianakaviana potika sy afa-baraka nohon’ny fananana ray mamolava sy mivary lavo!

Kely mokon-doha ka lasa mamono heritreritra any amin’ny toaka sy ny fanaovan-dratsy rehetra hanafenana ny fahalemena. Maro rahateo ireo manao mpamosavy malemy koa rehefa tsy maharesy ny any ivelany dia ny ao an-trano indray no aripaka. Toa izany ihany koa ny fitantanana ny firenena. Mba ray ihany ireo tompon’andraikitra ambony nefa minia mikipy tsy hahita ny fahorian’ny zana-bahoaka rotiky ny fahantrana tanteraka. Ekena fa tsy zanany ireny nefa amin’ny maha-tompon’andraikim-panjakana dia manana didy hanao izay hanesorana ny mponina ao anaty fahantrana. Tsy azo lavina noho izany fa tena marina ny hoe ny ray no mampahantra ity firenena ity. Tsy ny rehetra kosa nefa fa ny sasany izay tia-tena mitsentsitra ny fananam-bahoaka. Tsy tokony hadinon’izy ireny fa alahelon’olona no mahabotrabotra azy sy ny fianakaviany. Tsy mendrika ny antsoina hoe ray akory izy ireny satria manala-baraka ny hafa sy ny hasin’ny tena ray mahavita ny adidiny !

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre