Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Zazavavy tsy manan-dray – Naolan’i dadatoa dia notondrahin’i bebe rano mangotraka

Tovovavy 12 taona izay tezain-dreniny no niharan’ny habibiana nataon’ny dadatoany sy ny renibeny tao Tanamakoa, ao an-tampon’tanan’i Toamasina ny herinandro lasa teo.

Nandritra ny fotoana tsy naha teo an-dreniny dia nohararaotin’ny dadatoany ilay zazavavikely. Teo am-panantanterahana ny filan-dratsiny indrindra anefa ilay anadahi-dreniny mpamarina an-kady no niditra tampoka ilay renibeny. Tsy ny fiarovana ilay zafikeliny no nataony fa ny nifanohitra tamin’izay.

Naka rano mangotraka izy ary notobasany tamin’ny fitombenan’ilay zaza mba hanafenana ny filan-dratsin’ny zanany lahy.

Nony tonga tao an-trano ny maman’ilay zaza dia tsy nanafina ny zava-nanjo azy izy fa nitantara ny marina rehetra. Nametraka fitoriana teny amin’ny mpitandro filaminana ry zareo ka nosamborina ilay dadatoa nahavanon-doza ary efa notazomina ao amin’ny fonja Ambalatavoahangy miandry ny fitsarana azy raha toa ka mbola atao fanadihadiana ilay renibeny.

Ilay zaza kosa efa manaraka fitsaboana etsy amin’ny Hopitalibe Toamasina.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre