Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Antananarivo – Miparitaka ny vola sandoka Ar 5 000

Efa miparitaka eto an-drenivohitra ny vola sandoka Ar 5 000. 

Tamin’iny herinandro lasa iny dia toeram-pisotroana iray ao Andohatapenaka no efa voafitaka in-droa misesy. Tsy nahafantatra mihitsy ilay mpivarotra raha tsy efa ilay olona namerenana vola no tsy nety nandray fa hoe vola sandoka. Ilay mpivarotra indray avy eo no nohampangain’ilay mpanjifa ho mpanao vola sandoka.

« Natsipiny taty amiko ilay vola sady tezitra izy nilaza hoe mpamitaka. Tsy menatra akory ianao mamerina vola sandoka aty amiko », hoy ilay mpanjifa aeraka fitantaran’ilay ilay mpivarotra. Nanazava anefa ilay mpivaro-toaka fa tsy nahalala akory hoe sandoka ilay Ar 5.000 sady tsy tadidiny ny olona nanolotra  azy io vola io.

Mila mailo noho izany ny rehetra manoloana io trangan-javatra io satria tsy vitan’ny miparitaka fotsiny ny vola sandoka fa efa tonga aty an-drenivohitra ihany koa. Raha tsiahivina dia toeram-pivarotana iray tao Toamasina no efa tratran’ireo olon-dratsy tamin’ny  Ar 10 000 sandoka tamin’ny herinandro.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre