Nilaozana nisotro toaka – Very ny vola 7 tapitrisa ariary
Tsy fantatra na ahoana no hiafaran’ity lehilahy ity fa hatramin’ny nanoratana dia mbola am-bavahaon’ny fahafatesana izy. Ny tolakandron’ ny sabotsy tokony tamin’ny 3ora teo izy no tonga tao amin’ny hopitaly Hjra ary tsy mbola nisy fiovana ny toe-pahasalamany satria potika tanteraka ny taova rehetra ao anatiny ao, araka ny voalaza ny mpitsabo.
Nindrana vola mitentina Ar 7 000 000 tamin’ny olona ity lehilahy 37 taona ity fa hoe misy tetik’asa ho kasainy atao. Rehefa azony ilay vola dia nifanena tamin’ny namany teny an-dalam-podiana izy. Tsy nody avy hatrany anefa fa mbola nivily lalana ka niditra tamin’ny toeram-pisotroana sady nampirevy ireo namany.
Nandritra ny fisotroana dia nandeha ny resak’izy ireo ary nitantara ilay tetik’asa ho tanterahany izy sy ilay vola be azony. Rehefa kelileky anefa dia lasa tany amin’ny toeram-pivoahana izy ary napetrany teo amin’ilay namany ilay kitapo nisy vola be noho ny fifampitokisana. Akory anefa ny hatairany fa tsy teo intsony ity farany rehefa niverina izy. Nantsoiny tamin’ny alalan’ny finday dia tsy noraisin’ilay namany ny antsony. Rehefa noverenany nantsoina dia novoin’ilay namana mpamadika ny findainy.
Noho ny fahadisoam-panentanana dia namono tena ilay very vola. Tsy hainy intsony ny ahitana vola be hasolo an’io vola nisy nangalatra io dia naleony nisotro asidra mba hanaperana ny ainy toy izay higadra.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







