Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Faran’ny herinandro mainty – Nisesisesy ny lozam-pifamoivoizana

Namoan-tsampona indray ny fiara mpitatitra tamin’iny faran’ny herinandro iny satria sady namono olona no nanimba zavatra maro. Tany Ambatofotsy amin’iny lalam-pirena hihazo an’Antsirabe iny dia nahafaty olona ny fifandonana teo amin’ny fiarakely 4L sy fiara fitaterana marika Hyundai. Nipitika tany anaty lavaka mihitsy ilay 4L ary voalaza fa olona 2 no namoy ny ainy. Vao omaly ihany koa dia nandona fiara 4×4 iray ny fiara fitateram-bahoaka ao amin’ny zotra 194 teny Anosivavaka. Potika tanteraka ilay 4×4 ary naratra mafy ny mpamily azy. Nandrika ny rà teny an-toerana ary nisy mihitsy nilaza fa namoy ny ainy ilay nitondra 4×4. Soa fa nisy ireny ondana mibontsina

« Airbag » ireny ilay 4×4 fa raha tsy izany dia lasa toton-kena tao ilay mpamily. Raha ny hita teny an-toerana dia diso ilay 194 satria naka afovoany be ary tena nandeha mafy raha ny  hamafin’ny dona. Nari-koditra sy nimenomenona izay rehetra nahita ny loza ary nanao antso avo ny mba andraisan’ny UCTU fepetra faran’izay henjana manoloana ireo mpamily taksibe mpietraketraka toy izao. Efa samy nanaiky ny fiakaran’ny saran-dalana ny rehetra ka tokony mba hisy vokany amin’ny tolotra avy amin’ny mpitatitra kosa izany.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre