Mandrebireby saim-bahoaka
Nahoraka tsara mihitsy ny fanombohana ny fankalazana ny tsingerin-taona faha-55 niverenan’ny fahaleovan-tenan’i Madagasikara tamin’iny faran’ny herinandro iny. Fety etsy, lanonana eroa ! Maimaim-poana avokoa izany rehetra izany. Izay ilay hoe mampirevy vahoaka e ! Hatramin’ny famaranana ny lalao rigiby tafiditra amin’ny fifaninanana niadiana ny amboaran’ny filohan’ny Repoblika aza tsy nasiana vidim-pidirana. Manginy fotsiny ny fampisehoana an-tsahatra nahitana karazana mpanakanto maro saika manerana ny tanàna. Dia tena nifaly tokoa ny sarambabem-bahoaka. Ireo tsy manam-bola handoavana tapakila hijery fampisehoana no tena maro an’isa tamin’ny mpanatrika ny hetsika rehetra. Hadino kely vetivety ny fahasarotan’ny fiainana. Samy tsy nisy nahatsiaro fa mafiady ny rehetra fa dia tena nanararaotra niala-voly ara-bakiteny.
Mandalo ihany anefa izany rehetra izany satria manomboka anio dia hiverina amin’ny laoniny ny fiainan’ny rehetra. Na nilanonana maimaim-poana aza nandritra ny faran’ny herinandro dia tsy nampiova ny farim-piainan’ny isan-tokan-trano izany. Nampirevena dia nifaly, saingy tsy afaka ny hampirevy tena satria mafiady. Nandaitra ny tetikadin’ny eo anivon’ny fitondram-panjakana izay nahay nanararaotra izao ankatoky ny fetin’ny fahaleovan-tena izao hanakotakonana ny krizy sy ny olana maro mitranga eto amin’ny firenena. Tafiditra tsara ao amin’ilay fotoana fahanginana ara-politika mba ho fanajana ny fetim-pirenena rahateo isika koa inoana fa tsy dia hahery fihetsika ireo mpanao politika na dia tsy mahatanty ny hijery fotsiny ny loza manjo ny firenena aza izy ireo. Inoana fa maro no hiandry ny aorian’ny 26 jona, izany hoe amin’ny herinandro ho avy vao hiverina amin’ny tena ady politika indray.
Soa fa teo ny fetim-pirenena nanavotra ny mpitondra izay efa eo amoron’ny faharendrehana tanteraka nohon’ny fikorontanan’ny seha-draharaha maro eto amin’ny firenena. Voalohany amin’izany ny zava-mitranga eny amin’ny lapan’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza izay tsy mitsahatra ny mitaky fanonganana. Iaraha-mahita rahateo fa mahery fihetsika sy tsy mitsitsy fitenena ireo solombavam-bahoaka ary tsy azo tampenam-bava amin’ny alalan’ny fampiasana ny mpitandro filaminana ho hery famoretana. Mbola loza mitatao ho an’izao fitondram-panjakana mijoro izao ireo solombavam-bahoaka ireo na inona na inona fanazavana. Hatreto tokoa mantsy dia ireo depiote ihany no tena mba sahy miteny sy mijoro manohitra izay hita fa tsy mety eto amin’ny firenena. Mety misy ny kajikajy politika avo lenta any ambadika any saingy kosa tsy azo lavina fa toa misy fahamarinany betsaka ny fitakiana sy ny fanazavan’ireo depiote. Olona mahay lalàna sy manana ny traikefany eo amin’ny fitantanan-draharaham-pirenena rahateo ny ankamaroan’izy ireo koa tsy azo fitafitahina toy ny vahoaka tsotra.
Misy milaza anefa fa mandrebireby saim-bahoaka ireo depiote rehefa miteny sy manao fitakiana. Lasa fomba fiteny rahateo io fandrebirebena saim-bahoaka io ary tsy mahagaga izany satria tetikadin’ny mpanao politika eto amintsika. Rehefa tsy hita izay vokatra entina handresen-dahatra ny vahoaka dia lazaina fa mpanakorontana sy mpamingana ireo rehetra sahy miteny ny tsy mety. Raha misy anefa ny tena fandrebirebena saim-bahoaka dia ny fikarakarana lanonana maimaim-poana sy fifaninanana ara-panatanjahan-tena tsy misy vidim-pidirana mba hanehoana fa mahay mampifaly vahoaka ny fitondram-panjakana. Lanonana maimaim-poana tokoa ve moa tsy hahafaly? Handoa vola aza atao koa maika fa misy izany? Saingy mipetraka ihany ny fanontaniana hoe hitondra inona eo amin’ny fiainan’ny malagasy ireny fety ireny? Raha ny tena zava-misy marina no resahina dia fanakonana ny fahantrana sy ny fahoriana ary ny krizy ireo fety aman-danonana karakaraina etsy sy eroa. Rehefa milanonana mantsy dia toy ny hoe olon-tsambatra tsy manan’olana na dia tsy nandoa vola aza. Rehefa mifaly dia toy ny afa-pahasahiranana satria adino avokoa ny vesatry ny fiainana rehetra. Mandalo ihany anefa ireny rehetra ireny satria vao vita ny lanonana dia miverina indray ny vesatry ny fiainana. Na ny vola hatao saran-dalana hody aza tsy nananan’ny ankamaroan’ireo mpiijery lanonana maimaim-poana omaly. Hita soritra izany ny takariva satria maro ireo nanao valala manjohy tamin’ny dian-tongotra namonjy fodiana tao anaty haizina. Hetsika fandrebirebena saim-bahoaka no betsaka. Maro ny voafitaka!
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







