Itampolo Toliara – Dahalo roa matin’ny fitsaram-bahoaka
Manjeky ny asan-dahalo any amin’ny distrikan’ Ampanihy Andrefana, hoy Atoa Esoakele, lefitry ny ben’ny tanànan’ny kaominina Itampolo, nitafa tamin’ny mpanao gazety, ny sabotsy teo tao Toliara. Farany teo, raha ny fanazavany hatrany, dia roa tamin’ireo dahalo avy nangalatra omby 51 no matin’ny fitsaram-bahoaka, raha tafaporitsaka kosa ny ambiny sisa velona, ka anisan’izany Eratra lehiben-dahalo. Rehefa nokarohin’ny mpitandro filaminana ity farany taorian’ny didy fampisamborana navoaky ny fitsarana tao Ampanihy Andrefana dia tratra tao Toliara, ny zoma maraina teo, tamin’ny 10 ora. Raha ny vaovao voaray dia efa nigadra matetika noho ny fanafihana mitam-piadiana sy halatra omby arahina vono olona i Eratra. 4 taona tao Ihosy, 2 taona tao Toliara, nefa isaky ny tafavoaka ny fonja ity lehiben-dahalo sy mpanafina jiolahy ikoizana ity dia mamerina keloka hatrany.
Eric Toliara
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







