Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Toliara II – Manao fampielezan-kevitra sahady ny HVM

Raikitra ny fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana ataon’ny kandidàn’ny HVM ao amin’ny kaominina ambanivohitry Tsifota any amin’ny distrikan’ i Toliara II, 80 km avaratra andrefan’ny tanànan’i Toliara.  Tamin’ny fandalovanay tany an-toerana omaly, tao Tsifota sy Fihenena Masay, izay fokontany roa amin’ireo fito mandrafitra an’ity kaominina ambanivohitra vaovao nitambatra tamin’ny kaominina Manombo-Sud teo aloha ity, dia miranty eny rehetra eny mameno tanàna ny « poster » sy ny bileta misy ny sarin’ny kandidà Samuel Gérard sy ny laharany.

Ahitana an’ireto « poster » sy biletà HVM ireo avokoa, ny trano fisotroan-toaka (bar), toeram-pivarotana be mpivezivezy, hatramin’ny tranom-panjakana toy ny sekoly. Amin’ny andro tsena sy alahady dia tambazana vola sy zaraina « poster » sy bileta misy ny sary sy anarana ary laharan’ny kandidà HVM, ary resehana lahatra sahady hifidy ny antokom-panjakana amin’ny 31 jolay ho avy izao, ny mpiantsena na ireo hamonjy tsena sy ireo mpivavaka, raha ny fijoroana vavolomelona nataona sefo fokontany iray (L.M).

Mafy ny te-ho « Maire », mandrovo-tsihy mamalan-kira sy tsy manara-dalàna ny. Ny tranga toy izao no mampihena ny fitokisan’ny vahoaka ny mpanao politika matin-tseza ary mandratsy endrika ny mpitondra amin’ny fihoaram-pefy ataona kandidam-panjakana mamalan-kira tsy tan-dalàna. Miandry ny fandraisana andraikitry ny CENIT ny vahoaka any an-toerana amin’ny fampiharana ny lalàna sy hisian’ny mangaharaha lavitry ny fitanilana.

Eric Toliara

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre