Tantaran’ny fahaleovan-tena – Aseho an-tsary ao Analakely
Ity fampirantiana ity dia mba hitaizana ny olom-pirenena ho vanona sy mba ampahafantarana ny tsirairay ny tantaran’i Madagasikara sy ny tantaran’ny nahazoantsika ny fahaleovantena, izay niantomboka ny taona 1958 ka hatramin’ny taona 1960, ka ao anatin’izany ny hetsika rehetra natao sy ny dingana nolalovana nahazoana izany fahaleovan-tena izany.
Nandray anjara manokana amin’ity hetsika ity ny Anta ka sary maherin’ny 400 no haranty mandritra ny telo andro, izay efa nanomboka omaly alatsinainy ary tsy hifarana raha ny harivan’ny rahampitso alarobia. Misy ihany koa ny boky kely miisa 2.000 natontan’ny Anta amin’io fotoana io mikasika ny tantaram-pirenena sy horonan-tsary miisa roa arivo ihany koa mikasika ny tantara nahazoantsika ny fahaleovantena izay zaraina maimaim-poana ary efa miparitaka any amin’ny Dren miisa 22 sy 114 Cisco.
« 95 %n’ireo sary voatahiry ao amin’ny Anta dia saika mahakasika ny tantaram-pirenena avokoa ary maro amin’ ireo no mipetra-potsiny ka ilaina ny ampiasana azy mba tsy hijanona ho vakoka fa mba ho fantatry ny olom-pirenena sy ny mpianatra rehetra », hoy Hanitra Rakotoarisoa, mpiandraikitra ao amin’ny Anta. Fantatra ihany koa fa manao « numérisation » an’ireny sary ireny ny Anta ka sary 20 000 amin’ny 400 000 no vita.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







