Fanamarihana ny 55 taona ny fahaleovantena – Nanatanteraka « carnaval » ireo mpianatra an-drenivohitra
Ho fanamarihana ny fankalazana ny faha-55 taona nahazoana ny fahaleovan-tena dia nanao hetsika ny ministeran’ny Fanambeazam-pirenena mba ampifalifaliana ny mpianatra an-drenivohitra sy ny manodidina ka tafidira anatin’izany ny faritra Avaradrano sy Atsimondrano.
Hetsika izay mifanojo indrindra amin’ny volan’ny ankizy, ity natao ity. Nisy noho izany ny « carnaval » notanterahana izay niainga teo amin’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ary nifarana tao amin’ny lapan’ny kolontsaina Mahamasina ka mpianatra miisa 13 000 avy ao amin’ny kolejy sy lisea na miankina na tsy miankina no nandray anjara. Io hetsika io ihany koa dia fampahafantarana ireo ankizy ny hasina sy ny kolontsaina izay tokony hanajana ny fahaleovantenan’i Madagasikara.
Nandritra izany dia nisy ny fifaninana tononkalo, kabary, hirahira ary vako-drazana, izay nahazoana loka maro be avy tamin’ny ministera.
Tsy ny eto an-drenivohitra ihany fa mankalaza izany ihany koa ny any amin’ny faritra tsirairay avy ka ny Dren sy ny Cisco no mamolavola sy mandahatra ny fandaharam-potoanany. Ny tany Antalaha izao dia ny alahady teo no nanamarika izany fankalazana izany.
« Napetraky ny minisitran’ny Fanambeazam-pirenena ity hetsika ity ho fanamarihana ny fomba fiasa vaovao mba iarahan’ny ankizy rehetra miara-mifaly mba hanambarana ny soatoavina maha-malagasy », hoy ny tale jeneralin’ny Fanambeazam-pirenena, Todisoa Andriamampandry
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







