Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Vehivavy maty irery tao an-tranony – Efa nitangoronan’ny lalitra

Efa simba tanteraka ilay razana vao hitan’ ny teo amin’ny manodidina. Tany an-tampon-tananan’Antalaha no nisehoan’izany ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny fokontany Antsonasona. Mipetraka irery ity ramatoa efa 80 taona  any ho any sady tsy manan-janaka. Tsy mba miresaka amin’ny manodidina izy ka tsy nahataitra ny olona ny tsy nahitana azy efa herinandro mahery tao an-toerana. Ny alahady teo anefa gaga ny teo amin’ny manodidina raha nahita lalitra marobe nitangorona teo amin’ny rindrina ary nisy fofona hafahafa ka nahalasa saina ny maro. Nampiantso ny sefo fokontany avy hatrany izy ireo mba hijery ny zava-misy. Nodonina ny varavarana nefa tsy nisy namaly.

Farany, lasa nampandre ny mpitandro filaminana ny mponina. Niafara tamin’ny fanapoirana ny varavaran’ilay ramatoa be izany. Teo vao taitra ny rehetra fa faty efa simba tanteraka no nitsena azy ireo tao. Nampandre ireo havany ny manodidina ary tsy nandrasana intsony ilay faty fa tonga dia nalevina avy hatrany.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre