Vous êtes ici :

Mercredi 17 Décembre 2025

ombre

Politikan’ny fananan-tany – Ny manana tany ihany no afaka manao fiarovana

Mahakasika ny fivoahan’ny politikan’ny fananan-tany faharoa nivoaka ny 26 Mey 2015 teo dia nanao fanambarana ny Sehatra Iombonana hoan’ny Fananan-tany na SIF fa mandringa io politika vaovao io. Ny vovonana SIF dia isan’ireo nandray anjara tamin’ny famolavolana izany taratasin’ny politakan’ny fananan-tany izany. Raha zohina mantsy ny ao anatin’io taratasin’ny politikan’ny fananan-tany io dia ireo olona efa manana tany ihany no afaka manao fiarovana. Ahoana kosa izany ireo tsy manana ? Tokony ho dinihana ihany koa ny fampiasana ny tany satria ny politikan’ny fananan-tany eto Madagasikara dia efa tamin’ny andron’ny fanjanahantany, izany hoe efa tamin’ny taona 1896.

Tamin’izany andro dia ny tany tsisy « titre » dia natokana ho an’ny fanjakana.  Ny tanjona dia ny hananan’i Madagasikara politikan’ny fananan-tany mifototra amin’ny fomba amam-panao sy ny foto-pisainana malagasy mba hampanjary ny tany amin’ny alalan’ny asa atao aminy.  Mbola mila ezaka noho izany ny famolavolana ny fandaharanasa satria tsy mbola maneho ny tena politikan’ny fananan-tany tena izy ny taratasin’ny politikan’ny fananan-tany izay nivoaka io. Ho an’ny SIF manokana dia efa am-pirosoana amin’ny famolavolana ny fandaharan’asa amin’ny fanantanterahana io politika vaovao io izy ireo.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre