Rahoviana vao hijoro ?
Olona firy no andrasana ho faty vao hilaza ny tompon’andraikim-panjakana fa tena misy krizy eto Madagasikara? Firy tapitrisa ny zaza matin’ny aretina sy ny tsy fahampian-tsakafo vao hiaky ny mpitondra fa tsy mandeha ny fitantanan-draharaha eto amin’ny firenena. Firy miliara ariary ny fatiantoka vokatry ny fitokonana etsy sy eroa vao handray fanapahan-kevitra hikatsaham-bahaolana mahomby ny mpitondra? Firy ny isan’ny olona matin’ny pesta, tazomoka, sy ny areti-mifindra hafa, vao hisy ny fanambarana fa misy olana ny fitantanana ny fahasalamana? Olona firy no andrasana ho faty amin’ny fifamonoana sy rà mandrika noho ny ady amin’ny asan-dahalo sy ny jiolahy vao hiaiky fa tsy mandry fahalemana ny tany? Fanontaniana tsy misy sahy mamaly izany fa vitan’ny fanazavana tsotsotra ny rahaha rehetra. Efa miasa ny Fanjakana e! Efa be ny ezaka vita e! Miantso ny rehetra ho tony ary miantso ny mpanao politika sy ny mpanao gazety mba tsy handranitra sy hitsikera! Ireo foana no ambetitenin’ireo minisitra sy tompon’andraikitra ambony eo amin’ny fitondram-panjakana rehefa mandray fitenenana.
Zava-misy anefa no resahina fa tsy sanatria mamorona. Tamin’iny faran’ny heriandro iny fotsiny dia nanao sesilany ny fanafihana mitam-piadiana sy ny fanendahana manerana ny Nosy. Maro ihany koa ny matin’ny fitsaram-bahoaka vokatry ny fiarovan-tena satria efa tena aina ity hoy i rain’I Manonja. Niverina ihany koa ny fakàna an-keriny. Dia mbola nisy ihany koa ny fikasana hanondrana sokatra an-tsokosoko ary efa misy milaza fa atahorana indray ny hisian’ny fanondranana andramena satria efa misy sambo mampiahiahy mihaodihaody amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara. Andrasana ho ringana ary ve ny Malagasy vao hahazo hiteny ny marina e? Sa andrasana ho ripaka ny harem-pirenena vao hiantso hetsika hanakanana izany? Na dia tsy tian’ny mpitondra resahina aza dia goragora ny fampiharana ny lalàna eto Madagasikara.
Tamin’ny herinandro lasa any izao dia iisy vahiny roalahy tratra nanao fanondranana zava-mahadomelina mahery vaika nefa sazy an-tranomaizina kely fotsiny no azony. Any an-tany hafa toy ny any Indonezia sy Chine ireny tonga dia voaheloka ho faty. Marobe ihany koa ny afrikanina sy kaomorianina tratra manao vola sandoka nefa dia afa-maina fotsiny amin’izao. Mody samborina dia gadraina kely dia avy eo tsy hita popoka. Ny lalàna anefa mamaritra fa sazy an-tery vozona mandra-pahafaty no miandry izay tratra manao vola sandoka. Dia ahoana ihany koa izao ny sazy omena ilay vehivavy maorisianina tratra nitondra sokatra teny Ivato? Fa maninona ireny no tsy gadraina mandra-pahafatiny eny Tsiafahy mba ho anatra ho an’ny hafa? Na ny anaran’ilay izy aza tsy navoaka fa nafempenina. Rehefa ny vehivavy malagasy anefa no voarohirohy amin’ny fitondrana zava-mahadomelina any Maorisy dia alaina baraka sy aseho ren-tany ren-danitra.
Fa hiandry inona ity fitondram-panjakana ity vao tena mba sahy hijoro amin’ny maha-mpitondra amin’ny tany mahaleontena tokoa e? Izao ankatoky ny fankalazana ny fitsingerenan’ny nahazoana ny fahaleovantena izao no tena fampisehoana izany. Sa kosa mitombina ihany ilay ambaran’ny olona fa fahaleovantena sarisary sy an-taratasy fotsiny no azon’i Madagasikara fa mbola ny fahiny no mibaiko sy mitondra eto. Toa manamarina izany ny filazan’ny filoham-pirenena tany amin’ny faritra Sava ny herinandro lasa teo fa efa ireo ny mpiara-miombona antoka sy ny mpamatsy vola koa dia hiainga amin’izay ny asa fampandrosoana. Izany hoe tena miankin-doha tanteraka amin’ny vahiny isika vao afaka hiasa sy handroso. Mba manàna ambom-pom-pirenena ry mpitondra Fanjakana fa izay ihany anie no lalana tena mahomby hivoahana amin’izao krizy izao e! Rehefa hitan’ny vahoaka ianareo fa tena miaro ny tombontsoam-pirenena sy ny tombontsoam-bahoaka dia ho tohanan’ny maro an’isa ary tsy hisy intsony ny hetsika fitakiana sy fitokonana etsy sy eroa. Rahoviana ireo mpitondra vao tena mba sahy hijoro ary hanao ramatahora amin’ireo vahiny mitsentsitra sy mangalatra ny haren’i Madagasikara? Sarotra ny hanantenana valiny amin’izany. Aleo anefa manontany ihany sao dia mba misy mihaino.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







