Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Fanafihana fivarotan-toaka – Tovovavy iray maty voatifitra

Toeram-pisotroana iray eny amin’ny 67 ha avaratra no jiolahy ny harivan’ny alahady 21 jona lasa teo, tamin’ny 6 ora sy 45 minitra tany ho any. Tifitra variraraka avy hatrany no nanombohan’izy ireo ny fanafihana mba ampitahorana ny manodidina sy ampihorohoroana ny mponina. Tovovavy iray tokony ho 18 taona any ho any no namoy ny ainy nandritra izany fanafihana izany.

Jiolahy roa mirongo basy poleta sy kalaky no nanantanteraka ny fanafihana. Vao niditra ny varavaranan’ilay toeram-pisotroana izy ireo dia nitifitra avy hatrany ka nahavoa ilay tovovavy nividy zavatra tao. Araka ny fantatra dia niditra avy tao an-damosiny ilay bala. Raha ny loharanom-baovao voaray dia ilay mpivarotra no nokendren’ireo jiolahy saingy ity tovovavy ity izay, niandry ny famerim-bolany no voa. Vokany, maty tsy tra-drano ilay zazavavy. Lehilahy iray hafa ihany koa no naratra mafy ary lasa tamin’izany ny vola rehetra tao fa mbola tsy fantatra ny isany.

Nidina teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana mba hanao fizahana ka fantatra fa balana ana-kalaky no nahafaty an’ilay tovovavy.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre