Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Anosibe – Tsy maty ilay ramatoa voatifitra teo amin’ny lohany

Efatra andro aty aoriana, velona soamantsara ilay ramatoa voatifitra teo amin’ny lohany.

Ny sabotsy teo no nisy nandroba ity ramatoa ity sy ny vadiny raha sendra tratra alina teny Anosibe. Telo lahy mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no nanakana  azy mivady sadynanambana basy. Natohaka ireo jiolahy tamin’ny tendan’ilay lehilahy ny zava-maranitra raha toa ka teo amin’ny lohan’ilay ramatoa kosa ny basy mba hakana ny zavatra teny amin’izy ireo. Tsy nanaiky lembenena anefa ilay ramatoa ka nanohitra  ireo olon-dratsy mba tsy hahazoana ilay firavaka volamena teny aminy.

Tezitra ary ireo jiolahy ka nitifitra avy hatrany ilay vehivavy. Araka ny fantatra dia niditra teo amin’ny lohany ilay bala. Nikarapoka tamin’ny tany dia nalain’ireo jiolahy mora fotsiny ireo firavaka teny aminy sy ny vola tany amin’ilay rangahy. Nentina tamin’ny hopitaly avy hatrany ilay vehivavy. Nahagaga anefa fa tsy nahafaty azy izany bala saingy simba be kosa ny lohany.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre