Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Toamasina – Nahazo fanampiana ireo vehivavy voafonja

Amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetim-pirenena izao dia tsy diso anjara ireo vehivavy voafonja ao amin’ny fonjan’Ambalatavoahangy ao Toamasina.

Nidina teny an-toerana ny Fikambanana malagasy mijoro (FIMAMI) nitondra izay voatsirambin’ny tanany ho an’ireo vehivavy ireo.

Mahatratra 1091 ny isan’ ireo voafonja ao Ambalatavoahangy ka ny 58 amin’ireo dia vehivavy. Vary roa gony sy lamba fitafy no nomena azy ireo nandritra ny fitsidihin’ny FIMAMI teny an-toerana. Manan-jo hifety amin’izao fetim-pirenena izao ireo mamita ny saziny any am-ponja, ka izay no nanosika ny fikambanana hanao izao tolo-tanana izao. Ity hetsika sosialy ity dia ao anatin’ny fandaharan’asan’ny fikambanana ka atao amin’ity enim-bolana manaraka amin’ity taona ity, izay tapaka nandritra ny fivoariambe notanterahan’izy ireo ny sabotsy 13 jona lasa teo.

Tsy vao izao fa efa fanaon’ity fikambanana ity ny tolo-tanana amin’ireo olona tsy manana ny ampy. Ny fanampiana ireo olona ireo dia ao anatin’ny filamatry ny fikambanana.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre