Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Tsy namokatra !

Nanao ny tatitra mikasika ny asa vitan’izy ireo tao anatin’ny zato andro ireo mpikambana ao amin’ny governemanta.

Nisongadina fa dia natevina ny antontan-taratasy mikasika ireo zava-bitan’ny minisitera tsirairay. Raha mamaky ireo antontan-taratasy dia mampiaiky fa miasa tokoa ity fitondram-panjakana ankehitriny ity. Fahombiazana hatramin’ny taha-94% no nilazan’ny praiminisitra ny voarakitry ny tatitra. Toa mifandiso amin’ny tena zava-misy anefa ny voasoratra satria tsy hita izay tena fiovana teo amin’ny fiainam-bahoaka tao anatin’iny 100 andro farany lasa iny.

Raha ny tena tokony ho izy dia ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka no azo ambara fa vokatra azon’ny mpitondra fanjakana. Izany hoe midina ny vidim-piainana, ary mandry fahalemana ny tany. Ny mifanohitra amin’izany no zava-misy ankehitriny satria tao anatin’ny 100 andro dia nihasarotra ny fiainana ary vao maika aza nivadika biby araka ny fomba fiteny ireo olon-dratsy. Mety nahavita asa ireo minisitera isan-tsokajiny saingy tsy mifandanja amin’ny andrasan’ny vahoaka sy ny firenena amin’izy ireo izany. Tsy mahaleo ny sarany ny vidiny satria inoana marimarina fa vola be tsy hita pesipesenina no nolanian’ny fanjakana tao anatin’izay 100 andro izay nefa tsy nisy vokatra misongadina tamin’ny fiainam-bahoaka akory.

Ankoatra ny fahefana mpanatanteraka dia tsy namokatra ihany koa ny fahefana mpanao lalàna. Azo isaina amin’ny ratsan-tanana ilany, mba tsy ilazana hoe saika tsy nisy mihitsy ny volavolan-dalàna voafidy teny amin’ny Antenimieram-pirenena hatramin’ny niantombohan’izao fivoriana ara-potoana voalohany amin’ity taona ity izao. Nilaozan’ireo solombavambahoaka manangan’ady amin’ny andrim-panjakana hafa toy ny Fiadidiana ny repoblika, ny Governemanta, ny Fitsarana avo momba ny Lalàm-panorenana ary ny mpitandro filaminana. Mety nanana ny rariny sy ny hitsiny ary ny ara-dalàna ireo solombavambahoaka tamin’ny fitakiana nataon’izy ireo nefa toa fotoana lany sy herim-po very maina ihany izany satria tsy nisy vokany. Tsy niala tamin’ny toerany ny filohan’ny Repoblika, ny Praiminisitra, ny filohan’ny HCC ary ny lehiben’ny Emmoreg. Izany hoe maty momoka ny hetsiky ny depiote. Akehitriny dia hita fa manomboka misara-bazana sahady izy ireo satria misy ny niova hevitra ary voalaza ihany koa fa misy ny mamadika.

Raha ireo no jerena dia hita fa tsy nisy fanatsarana mihitsy ny fiainam-pirenena tao anatin’ny 100 andro. Vao maika aza nikorosy fahana noho ny disadisa maro samihafa tsy mety vahana. Vola be mitentina miliara maromaro no fatiantoka mihatra amin’i Madagasikara noho ny fitokonan’ny mpiasan’ny kaompaniam-pitaterana an’habakabaka Air Madagascar. Sarotra ny hifanome tsiny satria matoa misy ny hetsika dia misy tsy zakan’ireo mpiasa ao. Anjaran’ny mpitondra fanjakana no mitady vahaolana hamahana izany. Tsy misy olana tsy hay vahana rahateo fa ny finiavana handray fanapahan-kevitra ho amin’ny tombon-tsoan’ny be sy ny maro mihitsy no tsy misy.

Resaka fisokafana amin’ny hevitry ny hafa sy fampandeferana ny ambo-po diso toerana fotsiny dia mivaha ny olana rehetra eto Madagasikara. Tsy hananan’ny mpitondra, ny olona ambony ary mpanao politika io satria samy mihevitra azy ho tapi-pahaizana ka tsy mety atoro sy ahitsy na dia efa hita aza fa tsy mahomby. Mila manolo ekipa ihany koa ny filoha raha te handroso satria efa iaraha-mahita fa tsy mamokatra ireo ekipa ankehitriny. Madagasikara rahateo tsy an’antoko tokana na an’ny mpinamana vitsivitsy fa an’ny vahoaka malagasy miisa 22 tapitrisa mahery. Maro ny olona mahay eto ary tsy lany olo-manga ny firenena. Mila omena ny tena teknisianina sy ny tena manam-pahaizana ary ny tena mpanao politika ny fitantanana ny sampan-draharaham-panjakana amin’izay ho voavaha vetivety ny olana. Afaka soloina rahateo izay tsy mamokatra fa mandany volam-panjakana sy mampiteraka savorovoro fotsiny. Ho sahy handray izany andraikitra izany ve ny filoha. Tsy misy afaka ny hanery azy fa dia anjarany no maka ny fanapahan-kevitra hanavotana ity firenena ity.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre