Ampasampito – Lehilahy iray notsatohan’olona antsy
Rangahy iray efa lehibe no voatsatoka antsy ny alin’ny sabotsy teo tamin’ny 9ora, teny Ampasampito.
Nandeha nividy sakafo teny amin’ny « Snack » izy ity no izao no nisy nanatsatoka antsy ny hatony. Tratra ny tsy nampoizina, ka nitolefika avy hatrany sady naratra mafy ihany koa. Tsy nahasakana ilay jiolahy nanao ny asa ratsiny ny fahamaroan’ny olona nanatri-maso nteny an-toerana. Avy eo dia nitsoaka tany anelakelan-trano ity farany.
Olom-pantany ihany ity nahavanon-doza ity rangahy ity saingy tsy mety milaza ny momba io olona io izy. Mamo rahateo koa ity farany araka ny vaovao voaray.
Nahasorena ny nanatri-maso ny fihetsika nataon’ireo fiarakaretsaka teo amin’ny manodidina. Miisa telo izy ireo nijanona tsy lavitra ilay toeram-pisakafoanana saingy tsy nisy rototra mihitsy raha mba niangaviana hitondra ilay naratra teny amin’ny hopitaly. Taksi hafa sendra nandalo teny amin’iny toerana iny no namonjy ilay rangahy ka nitondra azy teny amin’ny hopitaly Hjra. Tsy misy ahiana ny ain’ilay rangahy lehibe raha ny voalazan’ny mpitsabo nandray an-tanana azy.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







