Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

55 taona ny fahaleovantena – Hisy ny takarivam-piderana

Ao anatin’ny fankalazana ny fetim-pirenena dia maneho ny firaisankinany amin’ny vahoaka malagasy ny fiangonana Shine.

Hisy noho izany ny fampisehoana izay tanterahana ao amin’ny lapan’ny kolontsaina Mahamasina ny 26 sy 27 jona ho avy izao ho fanamarihana ny 55 taona nahazoana ny fahaleovantena. Fampisehoana nampitondraina ny loha-hevitra hoe « Takarivam-piderana », iarahana amin’ny antoko mpihira TGC, ny antoko mpihira avy ao amin’ny fiangonana MRE, ny antoko mpihira ny fiangonana Shine ary ilay tanora mivoy ny hira evanjelika malaza, Joseph Daf. Zava-dehibe loatra izao fankalazana ny fetim-pirenena sy ny faha-55 taonan’ny nahazoana ny fahaleovantena izao, ka izay no nahatonga io fiangonana io hanatanteraka ireo fampiseohana roa sosona ireo ho fanehoana ny hafalian’ny malagasy rehetra.

Tsy natokana ho an’ny kristianina irery ihany ity hetsika ity fa dia misokatra ho an’ny rehetra. Manasa ny olona rehetra tsy ankanavaka noho izany ireo mpino ao min’ny fiangonana Shine amin’io fotoam-dehibe ao amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena ao Mahamasina io mba ho fanomezan-danja ilay Andriamanitra nahary amin’ny nahatratrarana ny fetim-pirenena.

 

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre