Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Atrik’asa voly rakotra – 17 000 ireo mpamokatra mampiatra azy

Tsy fambolena tsotra fa teknika mikajy ny tontolo iainana  ny voly rakotra.

Izy io dia mikajy ny nofon-tany sy ny hamandoana. Tsy mbola mahazatra ny eto Madagasikara io teknika io ka nahatonga ny GSDM nampiofanana ireo tantsaha. Efa nanomboka tamin’ny taona 2000 io atrik’asa io mba hampiroboroboana ny fambolena eto Madagasikara izay misy fifandraisana amin’ny AFD. Nizara roa izany, ny fizarana voalohany ny taona 2004-2008 izay novatsiahan’ny Afd vola an-tapitrisany ary ny fizarana faharoa ny taona 2008-2013 izay miditra ao anaty « appui national agro-écologie ».

« Ny voly rakotra dia tsara amin’ny fitantanana ny ‘’ agro-écologie ’’, izay nahatonga ny fananganana ny fikambanana mpiara-miasa amin’ny fikarohana sy ny fampianarana izay niainga tao Vakinankaratra, niarahana amin’ny ‘’fondation Agro-Khan’’ », hoy ny filohan’ny filakevi-pitantanan’ny GSDM, Jacqueline Rakotoarisoa.

Tantsaha miisa 30 no nahazo ny fiofanana ny taona 2004 tao Vakinankaratra ary nahatratra 3 500 izany ny taona 2008. Fantatra ankehitriny fa mahatratra 17 000 ireo tantsaha mampiasa io teknika io.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre