Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Miankin-doha

Mihetsika fatratra ny fitondram-panjakana tato ho ato amin’ny fitokanana foto-drafitr’asa sy fanombohana tetikasa vaovao.

Mitovy avokoa anefa ny kabary ataon’ny filoham-pirenena izay manindrahindra fatratra fa avy amin’ny famatsiam-bola vahiny sy fiaraha-miasa amin’ny vahiny no nahavitana ireny asa ireny. Midika mazava izany rehetra izany fa ny vola sy asan’ny vahiny no entina ampandrosoana an’i Madagasikara. Hopitaly avy amin’ny Sinoa, sekoly avy amin’ny Japoney, fiarovana ny tontolo iainana avy amin’ny Amerikana, fandraharahana avy amin’ny Frantsay, foto-drafitr’asa hafa avy amin’ny Vondrona eropeana sy Banky iraisam-pirenena…Lava ny lisitra raha ho tanisaina fa ny tsy azo iadian-kevitra dia tsy hisy zava-bita mihitsy raha tsy eo ny fanampian’ny avy any ivelany.

I Madagasikara anefa voalaza fa firenena mahaleotena efa ho 55 taona izao. Raha oharina amin’ny tanora nanorina tokantrano izay mahaleo tena izay dia tsy miantehitra amin’ny fanampian’ny ray aman-dreny intsony fa miasa sy mampidi-bola ary manana ny ampy sy afaka mivelona ary tsy mila mangataka. Raha firenena kosa no resahina dia tafiditra amin’ny asa fampandrosoana ny fahavitan-tena amin’ny lafiny rehetra. Raha mbola mpangataka lava toa an’i Madagasikara dia sarotra ny hirehareha fa tena mahaleotena ity firenena satria na ny vola entina hanaovana tetikasa hampandrosoana aza mbola angatahina lava amin’ny vahiny. Izany hoe an’ny vahiny ireny foto-drafitr’asa sy tetikasa ireharehan’ny mpitondra ireny satria izy ireo no nanao azy. Misy tambiny ny zava-drehetra ary tsy mahagaga raha malemy ny mpitondra manoloana ny tsy fanarahan-dalana ataon’ireo jiolahy vahiny eto amintsika. Omaly izao ny filoha malagasy dia nanana fotoana afaka nanebahana imasom-bahoaka ny masoivoho sinoa manoloana ny fitohizan’ny fanondranana andramena any Chine nefa tsy nanao izany izy.  Tsy sahy miteny satria mitokana ny namboarin’ny olona. Izay ilay hoe mitafy lamba imason’ny tompony ka maha-sakodiavatra. Mirehareha fa miasa ny mpitondra malagasy nefa tsy vokatry ny herim-po sy ny hasasarany no nahavitan-javatra fa vokatry ny fanampiana. Ny fitalahoana sy fanaovana androrosy amin’ny vahiny ve no fomba fiasa heverina hampandroso ity firenena mahaleotena? Inoana fa tsy izay velively satria efa maro ihany ireo mpitondra nifandimby no nanao izany nefa tsy hita izay tena vokatra nisongadina teo. Vao maika aza i Madagasikara nikorosy fahana sy lasa gisitra lava eo amin’ny sehatra rehetra.

Tsy mahaleotena izany isika fa miankin-doha ary raha ny Frantsay irery no nanjanaka an’i Madagasikara taloha dia lasa firenena marobe izy ireo ankehitriny. Manao izay danin’ny kibony ny vahiny eto amintsika satria arovan’ny firenena nihaviany. I Madagasikara, firenena mpangataka sy mpitrosa tsy sahy  manasazy satria miankin-doha. Hatramin’ny kaomorianina izay firenena tany aorian’i Madagasikara izao no efa tafiditra ho anisan’ireo mpanjakazaka amin’ny malagasy. Vao amam-bolana izay no nisy kaomorianina voalaza fa tratra saika hanondrana vehivavy malagasy ho any amin’ny tany arabo. Dia tsy hita intsony izay tohin’ny raharaha.

Hankalaza ny faha-55 taonan’ny fahaleovantena isika rahampitso. Velom-bolo ny ankamaroan’ny vahoaka ary hita ho mirehitra indray ilay afom-pitiavan-tanindrazana na dia mitsilopilopy aza. Tsy kivy ramalagasy na dia hita fa farahidiny eo anivon’izao tontolo izao aza ny fireneny. Be mokon-doha ary mafitoto rahateo isika gasy ka na eo aza ny fahantrana sy ny krizy lavareny dia tsy mety mandohalika fa mitraka hatrany ary tsy mety voajono amin’ny ady an-trano toy ny mateti-pitranga ao Afrika. Ny mpitondra fanjakana no tsy mahavita sy tsy manan-kambo fa miankin-doha amin’ny any ivelany fa ny Malagasy kosa tsy manaiky resy izany, tsy mety milofika ary mijoro amin’ny fitiavan-tanindrazana sy ny hambom-po-pirenena. Misy fetrany anefa izany fandeferana manana ny rariny izany koa asakasak’izay mpanararaotra izay tsy maintsy hianjadian’ny valin-kitsaka.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre