Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Mpamaky trano – Antsy sy fandraka no hita tao anatin’ny kitapony

Lehilahy iray no vaky nandositra tao amin’ny fokontany Tsaramandroso ao Mahajanga raha nahatazana ireo polisy manao fisafoana ny alin’ny faran’ny herinandro lasa teo.

Nampiahiahy ireo mpitandro filaminana izany fihetsika izany ka avy hatrany izy ireo dia nanenjika saingy tsy hita mihitsy izay nidifiany raha vao tafiditra elakelan-trano. Tamin’ny fandosirany anefa dia latsaka ny kitapo nentin’ity lehilahy ity. Rehefa nosavain’ireo polisy ny tao anatin’ilay kitapo dia karazana antsy maromaro sy fandraka no hitan’izy ireo tao. Azo antoka fa mpamaky trano ity lehilahy ity raha ny fijery ireo fitaovana ireo.

Tsy fantatra ihany koa na isan’ireo mpanakan-dalana sy mpanao sinto-mahery amin’ny alina ity olona ity.

Mila mailo ihany ny rehetra amin’izao ankatoky ny fetim-pirenena izao fa tsy kely lalana ireo mpanao ratsy izay tsy mifidy izay mifanojo aminy amin’ny fitadiavana vola hanaovany fety. Tokony hitandrina ihany koa ny rehetra rehefa miditra amin’ireny elakelan-trano ireny amin’ny andro alina. Tsy tokony ihany koa handeha irery sy manao mamo fa ireny indrindra no tena araraotin’ny mpanao ratsy. Sahisahy sady mamono mihitsy ny jiolahy amin’izao fotoana izao.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre