Mahajanga – Nigadra ireo tompon’antoka tamin’ny fanafihana karana
Olona roa no naiditra am-ponja tamin’ireo olona miisa valo voarohirohy tamin’ny raharaha fanafihana mitam-basy teny amin’ny « Abattoir Marovato » izay nahafatesana olona. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ireo enina ambiny.
Tamin’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana dia fantatra fa tsy basy fampiasan’ny mpitandro filaminana na basim-borona ity nampiasain’ireo jiolahy fa ireny basy hiaka farany ireny mihitsy. Manoloana io tranga io dia tsapa fa misy vondron’olona mpamatsy fitaovam-piadiana ireo jiolahy eto Madagasikara. Mitohy ny fikarohana ataon’ireo polisy mba hitadiavana izay tena nahavanon-doza satria tsy mbola tratra ilay nampiasa io basy io.
Etsy ankilany anefa, takian’ny havan’ny maty ny marina mikasika iny tranga nahafatesana iny olona iray iny. Fantatra koa fa miady amin’ny fahafatesana ny iray tamin’ireo fito voatifitra ka naratra mafy.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







