Anbilobe – Vehivavy iray niharan’ ny fanolanana faobe
Ny alin’ny alatsinainy tamin’ny 8ora sy sasany no nitrangan’izany tao amin’ny fokontany Tsaratanàna, ao amin’ny distrikan’Ambilobe.
Renim-pianakaviana iray 26 taona no niharan’ny fanolanana tao amin’io toerana io. Roa vavy izy ireto fa ny iray tafaporitsaka. Araka ny fantatra dia avy namonjy fety fanamarihana ny faha-55 taonan’ny fahaleovantena izy ireo no nosakanan’ny andian-jatovo miisa dimy.
Nofatoran’ireto tovolahy ny tanana sy ny tongotr’ilay vehivavy ary notapenan’izy ireo ny vavany. Manoloana io geja nahazo azy io dia tsy afaka nanao na inona na inona ity renim-pianakaviana ity fa niandry izay nataon’ireo andiana tanora azy. Nanampatra ny filan-dratsiny tamin’ilay vehivavy ireto farany ka nifandimby nanolana ilay renim-pianakaviana.
Ilay namany tafatsoaka kosa niantso vonjy ka mandra-piveriny dia efa tsy teo intsony ireo mpanolana. Tsy vitan’izay fa nentin’ireto mpanolana tany amin’ny toerana mangingina, lavitra ny arabe ilay tovovavy fa tsy teo amin’ilay nanakanany azy ka nanano sarotra ny nitady ity voaolana.
Efa mampihorohoro ny mponina ao an-tampon-tanan’i Ambilobe ny afitsok’ireo tanora any an-toerana amin’izao fotoana izao. Na dia efa andro aman’alina tsy miato ary ny fisafoana ataon’ireo mpitandro filaminana dia mahita irika hanaovana ny asa ratsiny foana ireo andian-tanora maditra ireo.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







