Vous êtes ici :

Dimanche 19 Mai 2024

ombre

Fahamaizana tao Toliara – Mitaraina ny fahataran’ny mpamonjy voina ireo niharam-boina

« Raha tonga mialoha ireo mpamonjy voina dia tsy maro be tahaka izao ny trano may » hoy ny fitarainan’ireo niharam-boina. Araka ny tatitra voaray dia vao nirehitra ilay afo dia nampandre ny mpamonjy voina avy hatrany izy ireo saingy adiny iray sy sasany aty aoriana ireto farany vao tonga. Tsy vitan’izany ihany kao fa mbola tsy ampy ny rano nentin’izy ireo ka mbola niverina indray naka rano sady mbola ela be izany. Vokany, trano 15 tafo lasa lavenona tao Bevoalavo ao amin’ny fokontany Marinike, bazary Scama ary mahatratra 84 ireo fianakaviana tsy manan-kialofana. Ny marainan’ny alahady 28 jona teo no nisehoan’izany. Mbola tsy fantatra kosa hatreto ny antony nahatonga ny loza fa vao nirehitra ny afo dia nifanome tanana ireo mponina mandra-piandrasana ireo mpamonjy voina.

Kila forehitra nandritra izany ny voamaina, ny balahazo, ny tsako, anisan’izany ny varotra  tsy lany  tamin’ny fety sy ny maro hafa. Mitentina mahery ny dimam-polo tapitrisa ny fahavoazana nahazo ireo mpivarotra araka ny vaovao voaray.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre