Vous êtes ici :

Mercredi 01 Mai 2024

ombre

Mahajanga – Olona valo naiditra hopitaly

Tahaka ny fety rehetra dia betsaka ireo niharan’ny loza nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena iny. Tany Mahajanga izao dia olona miisa valo no voatery naiditra hopitaly noho ny fahavoazana be loatra nahazo azy ireo. Araka ny tatitra nataon’ny hopitaly Androva dia maro ireo naratra mafy  vokatry ny ady sy ny fahamamoana be loatra. Fa amin’ny  ankapobeny dia ny lozam-pifamoivoizana no tena nanjaka tany an-toerana. Ny tsy fanajana ny hafainganam-pandeha no tena niteraka ny loza araka ny fantatra. Ireo mpamily kodiarana roa no voakasika amin’izany. Mahatratra dimy ireo niharan’izany, soa ihany fa tsy nisy namoy ny ainy fa naratra mafy fotsiny. Nisy tamin’ireo izay tapaka tongotra mihitsy noho ny dona mafy nahazo azy ireo. Tsy maintsy notazonina eny amin’ny hopitaly ireto olona ireto mba hanarahana akaiky ny fivoaran’ny toe-pahasalamany.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre