Ambatondrazaka – Novonoiny ny zanany 2 taona mba iarahany amin’ny vady keliny
Habibiana raha ity tranga niseho tany Bejofo ao Ambatondrazaka ity. Vitan’ity ramatoa ity ny namono ny sombiniainy mba ahafahany miaraka migalabona amin’ilay vady keliny. Raha ny vaovao voaray dia izy roa mihitsy no niray loha namono an’ilay zaza ary ilay lehilahy no ati-doha nikotroka an’izany.
Andro vitsivitsy taty aoriana anefa dia nisy nahatsikaritra ny tsy fahitana an’ilay zaza teo an-toerana ka niteraka fanontaniana tamin’ireo manodidina. Nilaza anefa ilay ramatoa fa nalefa niala sasatra ilay zazakely. Efa nandeha rahateo ny siosion-dresaka tao an-tanàna mahakasika io fanirian’ilay lehilahy amin’ny famonoana ilay zaza tsy manan-tsiny. Araka ny fantatra dia tsy nafenin’ilay rangahy mihitsy mantsy io faniriany io. Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ireo mponina ary nisy famotorana natao azy ireto saingy nandà hatramin’ny farany ny fiampagana natao azy izy ireo.
Nandeha ary ny andro sy ny volana, tamin’ny herinandro lasa teo anefa dia nipoitra ny marina momba ity raharaha famonoana olona ity. Raha ny loharanom-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana dia efa ela izy roa no niaraka ka mba hanomezana ny fahafam-po ny vady keliny dia naleony namoy ny zanany tokana. « Mba ahafahan’izy ireo mifanambady tsy misy mpanelingelina anefa dia noteren’ilay rangahy an-kolaka ilay ramatoa mba hamono ny zanany kely, izay tokony ho roa taona eo ho eo. Nisalasala ihany ilay vehivavy saingy tsy nahaleo dohika ka dia notanterahina ny sitrapon’ilay rangahy », hoy ny fanazavana voaray.
Nofongarina ilay razan-jazakely izay efa simba ary nampiakarina teny amin’ny Fitsarana ny raharaha. Naiditra am-ponja avy hatrany izy roa taorian’ny fitsarana azy ireo.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







