Nidaroka zaza tsy ampy taona – Lehilahy iray naiditra am-ponja vonjimaika
Mandra-piandrasana ny fitsarana azy dia naiditra am-ponja vonjimaika ao Antalaha ny lehilahy nidaroka zaza tsy ampy taona. Tao amin’ny kaominina Farahalana ao amin’ny distrikan’i Sambava no nisehoan’izany ny herinandro lasa teo.
Mitantana toeram-pisotroana ao an-toerana ny ray aman-drenin’ilay zazalahy 12 taona ary nandray zava-pisotro mahamamo tao amin’ity toerana ity ilay lehilahy 45 taona nidaroka azy. Tamin’io fotoana io dia nampiandrasan’ny ray aman-dreniny an’ilay bara vetivety ilay zaza ka nodarohan’ilay lehilahy rehefa nitaky vola taminy. Efa mamo ity farany ka tsy nahafehy intsony ny fihetsika nataony. Araka ny fantatra dia saika nandeha tsy nandoa vola ity lehilahy ity.
Naratra mafy vokatr’ilay daroka nahazo azy ilay zaza ka nametraka fitoriana avy hatrany ny fianakaviany manoloana izany. Azo atao tsara ny mametraka ny fitarainana sy mitory manoloana ireny herisetra atao amin’ny zaza ireny eny anivon’ny polisy miaro ny zaza tsy ampy taona. Betsaka anefa ireo olona vavolombelona amin’ireny trangan-javatra tahaka ireny fa tsy sahy mitory, tahotra ny iharan’ny valifaty. Hiangaviana no izany ireny olona ireny mba hanantona tsy ampihambahambana an’ireny polisy misahana izany fa misy ny fiarovana azy ireny.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







