Vous êtes ici :

Dimanche 21 Décembre 2025

ombre

Andekaleka – Lehilahy iray maty nofaohan’ny lamasinina

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravaina ny lalamby ao Andekaleka.

Lehilahy iray 40 taona nofaohan’ny lamasinina teo amin’ny lalamby ao Ambinany Sarazana, kaominina Andekaleka, ao anatin’ny Distrikan’i Moramanga ny takarivan’ny zoma 26 jona, tokony ho tamin’ny 6ora tany ho any. Nandeha nanaraka ny sisin-dalamby  izy ity no voafaokan’ny lamasinina ka maty tsy tra-drano. Mampametra-panontaniana ny maro ihany ny fisehoan’ny loza. Tsy henon’ity lehilahy ity ve ny firodorodon’ity lamasinina ity avy ao an-damosina no tsy niala lavitra an’izany izy sa mamo kosa ity farany ka nahatonga ny loza. Ny andro rahateo fety ihany koa. Araka ny fantatra dia avy namonjy fetim-pirenena tany Fanovàna izy ary handeha hamonjy fodiana izy io niharan-doza io. Fantatra koa fa tsy tsikaritry ny mpamily lamasinina izany loza izany fa ny olona sendra nandalo nahita ny razana efa rotidrotika ka nampandre ny manam-pahefana. Nidina teny an-toerana niaraka tamin’ny mpitsabo izy ireo mba hanao fizahana an’ilay razana ary natolotra ny fianakaviany avy eo.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre