Secours Islamique France – Fianakaviana sahirana 700 novatsiana sakafo
Tsy vao izao fa hetsika ara-tsosialy efa fanaon’ny fikambanana « Secours Islamique France » isaky ny ramadany ny fanomezana sakafo ireo fianakaviana sahirana ara-pivelomana.
Tamin’ity taona ity dia fianakaviana sahirana miisa 700 ao amin’ny fokontany Ampefiloha Ambodirano sy Antohomadinika IIIG Hangar no novatsiana sakafo. Ity hetsika ity dia fanaovana asa soa sy fanarenana ireo olona mbola miaina ao anatin’ny fahantrana. Fantatra fa ireo traboina ireo dia efa nomena fanampiana sakafo sy ny fitaovana entina mamerina amin’ny laoniny ny asa fivelomana. Notsongaina manokana ihany koa ny tokantrano misy olona mihoatra ny enina, ny tokantrano misy olona manana fahasembana, ny renim-pianakaviana mamelon-janaka irery ary ny beantitra. Vary 5 kilao, voamaina 15 kilao, siramamy iray kilao, sira ary menaka iray litatra no natolotra ireo tokantrano ireo. « Ny nampiavaka ny hetsika tamin’ity taona ity dia ny fisian’ny tana-maro natao tamin’ny fanadiovana ny lakan-drano amin’ny toeram-ponenan’ izy ireo. Satria efa dibo-drano ka ny valin-kasasararany dia ny fanomezana sakafo izay natao ho ampy mandritra ny tapa-bolana ny fianakaviana iray », hoy Lalaina Andriamanirimanasoa, avy amin’ny « Secours Islamique France » eto Madagasikara.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







