Toamasina – Naolana ny tendan’ilay polisy dia natsipy tao Ivoloina ny fatiny
Nihazakazaka ny fandehan’ny raharaha mahakasika ny fahitana fatina polisy tao amin’ny reniranon’ Ivoloina ao Toamasina ny herinandro lasa teo. Taorian’ny fahitana ny razana dia nisokatra ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana any an-toerana ary efa fanta-pantatra ny antony nahafaty an’ilay polisy.
Raha ny loharanom-baovao voaray dia nalaina teny amin’ny orinasa vahiny fiambenana izy io ary nentina fiara tsy mataho-dalana iray mba hanatona ny talen’ny orinasam-pitaterana iraisam-pirenena iray manana rantsana ao Toamasina fa hoe misy fifanarahana atao. Avy eo dia nafindra tao anaty fiarakaretsaka ity polisy ity ho any amin’ilay mpandraharaha, izay voalaza fa mitifitra fanihy any Ivoloina amin’iny lalam-pirenena faha-5 iny. Fa talohan’izay rehetra izay dia fantatra fa nampisotroana toaka ity mpitandro filaminana ity mialohan’ny nandehanany.
Tsy fantatra anefa izay tsy nifanarahan’izy roa rehefa tonga tany an-toerana fa nisy fifandirana ary niafara tamin’ny fifampitifirana izany. Araka ny nambaran’ny loharanom-baovao hatrany dia nokendaina ilay polisy saingy mbola afaka naka ny basiny ka nahatifitra ny tongotr’ilay tale izay nahafahana nahalala ny marina tamin’ity raharaha ity. Sendra ny be noho vitsy anefa ity polisy ity ka dia maty nofolahina tenda ary natsipy tao amin’ny reniranon’Ivoloina avy eo.
Taorian’ny famotorana ny mpamily an’ ilay fiarakaretsaka dia nampidirina vonjimaika eny amin’ny fonjan’i Ambalatavoahangy izy sy ilay tompon’ny fiarakaretsaka nentiny io.
Raha tsiahivina, ny alin’ny zoma 25 jona hifoha ny sabotsy 26 jona no hita faty tao amin’ny reniranon’Ivoloina io polisy io.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







