Vous êtes ici :

Dimanche 21 Décembre 2025

ombre

Ny ahiahy tsy ihavanana !

Lehiben’ny distrika maro be no nosoloina nandritra ny filan-kevitry ny minisitra omaly. Mpiasam-panjakana ambony eo anivon’ny minsiteran’ny Atitany izy ireny ary manam-pahaizana manokana mikasika ny fanapariaham-pahefana. Iaraha-mahalala anefa fa andraikitra sahanin’ny distrika amin’ny resaka fifidianana. Izy ireo no azo lazaina fa manam-pahefana voalohany amin’ny fifehezana sy fikirakirana ny antontan-taratasy mikasika ny lisitry ny mpifidy eny anivon’ny fokontany sy ny kaominina. Nanaitra ny maro avy hatrany ity fanapahan-kevitra hanolo lehiben’ny distrika ity iray volana mialohan’ny datin’ny fifidianana izay efa voafaritra fa hatao ny faran’ny volana izao. Raha ny lojika mantsy dia tsy tokony ho nosoloina mihitsy ireo lehiben’ny distrika efa nanana traikefa tamin’ny fikirakirana ireo lisitry ny mpifidy sy ny pitsopitsony rehetra tandrifin’ny fitondram-panjakana amin’ny fifidianana.

Mailo avy hatrany ny rehetra vao nahare fa misy lehiben’ny distrika efa ho 20 latsaka kely vao notendrena handray ny asany. Mahina ihany ny antoko politika ny amin’ny hisian’ny fikasana hanodikodina ny fifidianana satria toa tsy hita be ihany izay tena tanjon’ny tian’ny fitondram-panjakana hahatongavana. Andaniny manizingizina fa tsy maintsy hatao amin’ny 31 jolay izao ny fifidianana ben’ny tanàna manerana ny Nosy. Ankilany anefa na ny fanaingana ny mpifidy aza toa tsy misy mahalala akory na efa natao na mbola tsia. Hatreto dia an-jambany fotsiny ny fiomankomanan’ireo antoko politika nandrotsaka kandida fa tsy mbola misy antoka mazava hoe hisy na tsia ny fifidianana.

Izao indray anefa dia misy distrika 19 nanendrena tompon’andriakitra ambony vaovao. Inona no tena tanjon’ny mpitondra amin’izany fanapahan-kevitra izany ? Tsy maintsy hanazava izy ireo hoe fanatsarana ny fampandehanan-draharaha no nandraisana ny fanapahan-kevitra. Mitombina izany ary tsy azo lavina saingy kosa mampieritreritra ny fanapahan-kevitra tampoka noraisina 10 andro mialohan’ny  fanombohan’ny fampielezan-kevitra.

Iaraha-mahita rahateo fa miha-ratsy endrika eo imason’ny vahoaka ny fitondram-panjakana ary tsy maintsy hisy fiantraikany any amin’ny kandidan’ny antoko HVM izany. Hita taratra avy hatrany mantsy fa tsy hahovoka firy ny HVM amin’io fifidianana ben’ny tanàna ho avy io. Manome porofo izany ny tsy nahasahian’izy ireo nandrotsaka kandida teto Antananarivo renivohitra. Ho an’ny tena mpanao politika dia ny kaominina Antananrivo renivohitra no tanjona voalohany indrindra ary avy eo manaraka ho azy ny filohan’ny Repoblika. Raha antoko eo amin’ny fitondrana moa dia ny fahazoana ny toeran’ny ben’ny tanànan’Iarivo. Efa nanao ny fomba rehetra hanamboarana ny fizotry ny fifidianana teto Iarivo ny HVM ka tafiditra tamin’izany ny saika hizarazarana ny renivohitra ho kaominina kely miisa 16 ary tsy ho fidian’ny vahoaka mivantana ilay tena ben’ny tanàna iraisana. Tsy nahomby anefa io tetika io ka naleon’ny HVM tsy nandrotsaka kandida amin’ny anaran’ny antokony satria matahotra ny ho resy ka ho afa-baraka.

Hatreto aloha dia tsy mitombin-tsaina tanteraka mihitsy ny ankamaroan’ny mpanao politika amin’ity fifidianana ben’ny tanàna ity satria tsy mbola misy antoka mazava na ho raikitra ihany tsia. Vola be sy fotoana ary fitaovana maro anefa no tsy maintsy atokana amin’izany koa mety hiditra fatiantoka  raha toa ka tsy hisy ny fifidianana. Ny Mapar hatreto no efa nitondra faisana voalohany tamin’ilay vola nangonina hamerenana ny antoka tsy maintsy naloan’ireo kandida nefa lasan’ny fanjakana tamin’ilay famakiana ny fiaran’ny solombavambahoaka Lanto Rakotomanga.

Ny ahiahy tsy ihavanana ary vao maika izany mampisahotaka rehefa tsy mazava ny fitsipi-dalao. Tsy mampilamin-draharaha mihitsy ity fomban’ny mpitondra mamely tampoka amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ity. Vao maheno ny antoko politika fa misy fanendrena lehiben’ny distrika ao anatin’ny fotoana fikarakarana fifidianana dia efa hafa ny eritreritr’izy ireo.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre