Vous êtes ici :

Lundi 29 Avril 2024

ombre

Antalaha – Lehilahy nokapain’ny jiolahy tamin’ny famaky

Lehilahy iray no naratra mafy nokapain’ny jiolahy tamin’ny famaky ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy tao Ambinan’ankoalabe, ao an-tampon-tananan’i Antalaha. Ity olona ity moa dia nahatratra ambodiomby olon-dratsy saika hamaky ny tranon’ny reniny. Avy tao amin’ny toeram-pivoahana izy no nahatsikaritra ilay jiolahy nisikotra ny varavarana. Novelesiny tamin’ilay hazo kely teny an-tanany avy ao aoriana ilay jiolahy.Tsy nampoizin’ity lehilahy mantsy fa nisy famaky teny amin’ity olon-dratsy ka avy hatrany dia noratrainy tamin’izany ilay lehilahy ka voa teo amin’ny lohany, ny tanany ary ny sandriny. Vokatr’izany dia naratra mafy ity farany.

Niantso vonjeo ilay lasibatra ka vaky nandositra ilay jiolahy. Nifanenjahan’ny fokonolona ity farany fa tsy hita intsony izay nanjavonana. Ilay naratra kosa nifamonjena nentina haingana teny amin’ny hopitalibe ao Antalaha mba hahazo fitsaboana. Tsy misy ahiana anefa ny ainy na dia eo aza ny hamafiny fahavoazany, hoy ny mpitsabo. Tamin’ny fanadihadiana natao ilay lehilahy naratra mafy dia fantatra fa olom-pantany ity mpamaky trano ity. Nametraka fitarainana ireo havany ary misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre