Vous êtes ici :

Lundi 29 Avril 2024

ombre

Moramanga – Andian-jiolahy nanafika garazy

Ny marainan’ny alakamisy tamin’ny 2ora sy sasany tany ho any no nisehoan’izany tao amin’ny garazy iray eny Tanandava amin’ny lalana mankany amin’ny orinasa Ambatovy.

Jiolahy folo mahery no nanafika tamin’io toerana io. Araka ny fantatra ny tamboho no niakaran’ireo olon-dratsy nahafahany niditra tao amin’ilay toerana, ary efa tafiditra izy ireo vao tazan’ny mpamily sy ny mpiambina tao.

Niditra an-tsehatra nanohitra ireo jiolahy avy hatrany ireto farany ka vaky nandositra ny sivy fa ny iray kosa tavela tao. Niverina anefa ireo jiolahy ireo nanavotra ny namany tavela tao sady narahan’izy ireo tora-bato izany ka votsotra indray ilay olon-dratsy.

Entana maro no fantatra fa lasan’ireto olon-dratsy ireto nandritra ny fanafihan’izy ireo. Ao anatin’izany ny zerikana feno gazoala 30 litatra, vola 30 000 ariary miampy findain’ny mpamily iray. Tavela teo amin’ ilay tamboho niakarana sy nitsoahan’ireto jiolahy, bodofotsy iray, fanalahidina fiarakadia maromaro sy “appareil topographique” iray. Vaky ny fitaratry ny fiara iray ary mpamily iray no naratra.

 

 

 

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre