Vous êtes ici :

Dimanche 05 Mai 2024

ombre

Toamasina – Nahazo fitaovana fanalana nify ny OMSI

 Nambara ampahibemaso ireo mpiasa ao amin’ny toeram-pitsaboana OMSI ao Toamasina ny takarivan’ny talata teo ny fahazoana fitaovana vaovao fanalana nify sy ny fikarakirana ny ativava. Izany fanambarana izany dia natao teo anatrehan’ireo ankizy zanak’ireo mpiasa mpandoa latsak’emboka ao aminy.

Mitetina 18 000 000 ariary ity fitaovana ity ary efa am-perin’asa tanteraka amin’izao fotoana izao. Efa fanirian’ireo mpandoa latsak’emboka ny mba hanana an’izao fitaovana izao araka ny vaovao voaray dia natao io ezaka io mba ho fanatrarana ny fanamby napetraky ny tale jeneralin’ny OMSI, Dr Benessy Harison Sébastien sy ny filoha ny filan-kevi-pitananana, Danick Ramaroson. Izany fanamby izany dia ny firosoana amin’ny fametrahana ny sampana fitsaboana zaza latsaka ny 15 taona ao amin’io toeram-pitsaboana io mba hialana amin’ny filaharana amin’ireo toeram-pizaham-pahasalamana roa efa misy ao an-toerana.

 Laurena Nany

 

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre