Lehilahy mamo voadaroka – Eo ambavahaonan’ny fahafatesana
Nanakorontana ve sa kakay tsotra izao fa lehilahy iray any amin’ny 35 taona no eo ambavahaonan’ny fahafatesana amin’izao fotoana izao. Tany Antalaha no nisehoan’izany ny alarobia lasa teo teny amoron-dranomasina, tamin’ny misasa-kalina tany ho any. Avy namonjy « podium » ity lehilahy ity no nodarohan’ny andian-jatovo. Tsy fantatra mazava ny tena niandohan’izany fa olona sendra mody avy nijery « podium » no naheno tabataban’olona maro be.
Te hahalala ny zava-misy dia lasa ity farany nitsikilo, akory ny hatairany raha nahita ity lehilahy nodarohan’ireo zatovo. Niditra an-tsehatra avy hatrany izy raha vao nahita izany ka niparitaka nandositra ohatry ny tsy teo ireo tanora maro. Naratra mafy ka nentina avy hatrany teny amin’ny hopitalibe tao an-toerana ity lehilahy ity mba hahazo fitsaboana sahaza azy. Araka ny filazan’ireo mpitsabo nandray azy dia ahiana ny amin’ny fahasalaman’io lehilahy io. Vokatry ny dona mafy nahazo azy mantsy dia nanao « hémorragie interne » izy. Hatramin’ny nanoratanay dia mbola tsy mahatsiaro tena izy.
Tamin’ny fanambarana nataon’ny mpitsabo hatrany dia handrasana ny fivoaran’ny fahasalamany anatiny 24ora ahafahana mandefa azy an-drenivohitra.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







