Vous êtes ici :

Jeudi 25 Décembre 2025

ombre

Vokatry ny fandehanana mafy – Misesy ny lozam-pifamoivoizana ao Ambatondrazaka

Misesy ny lozam-pifamoivoizana ao amin’ny distrikan’i Ambatondrazaka tamin’ity herinandro. Ao anatin’ny iray andro, mahatratra telo ny loza aterak’izany lozam-pifamoivoizana izany any an-toerana. Vokatry ny tsy fitandremana no tena mahatonga ny loza ary ireo môtô no tena manao an’izany araka ny vaovao voaray. Raha tsiahivina dia ny alatsinainy 29 jona teo, tamin’ny 12 ora atoandro tao Avaradrova Avaratra dia taksi-môtô nifandona tamin’ny fiara vaventy iray vokatry ny fandehanana mafy avy amin’ilay môtô. Nifanandrify tamin’io  ihany koa dia taksi-môtô roa nifandona tao Ambohimasina.

Ny ampitson’io, ny talata faha-30 jona tao amin’ny fokontany Madiotsifafana dia môtô iray nianjera noho ny fandehanana mafy. Naratra mafy vokatr’izany ny mpamily an’ity kodiaran-droa ity.

Saika isan’andro, araka izany, dia isehoana lozam-pifamoivoizana hatrany ao Ambatondrazaka. Tokony henjanina ny lalàna mifehy ity sehatra iray ity mba hampihenana farafaharatsiny ny loza miseho ao an-toerana.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre