Toamasina – Nahazo efitrano fianarana roa ny lisea Jacques Rabemananjara
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny alarobia 1 jolay teo ny lanonana fanolorana ny fanalahidin’ny efitrano fianarana ny Lisea Jacques Rabemananjara. Efitrano miisa roa izay navaozina, izay novatsiahan’ny fikambanana « Madagascar solidarité volontariat et Actions » na Masova vola. Mitentina 20 000 euros eo ny vola lany nandritra ny fanamboarana ary naharitra enim-bolana no nanaovana ny asa.
Mahazaka mpianatra efa-polo isaky ny efitrano izany toeram-pampianarana izany. Lanonana izay natrehan’ny filoha lefitry ny fikambanana Masova, ny fianakaviam-be eo anivon’ny seha-panabeazana ao Toamasina.
Amin’ny anaran’ny mpianatra rehetra sy ny mpampianatra dia naneho fisaorana tamin’izao tolo-tanana nataon’ny fikambanana Masova izao ny “proviseur” eo anivon’ny Lisea Jacques Rabemananjara, Fidélice Babity, ho fanamarihana ny hafalian’izy ireo nandritra ny lanonana fanokafana ireo efitrano ireo.
Tsy hijanona hatreo anefa izany tolo-tanana ataon’ity fikambanana ity fa fantatra ihany koa hisy ny fizarana boky miisa 4 000 sy solosaina miisa 50 ho an’ireo lisea ao anatin’ny Faritra Alaotra Mangoro, ny Faritra Atsinanana ary ny Faritra Analanjirofo.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







