Vous êtes ici :

Samedi 04 Mai 2024

ombre

Sambava – Lavanila 452 kilao tsy ara-dalàna saron’ny polisy

Mitohy ny fandikana lalàna ataon’ireo mpanangom-bokatra any amin’iny Faritra Sava iny. Tokantrano iray no nahatratraran’ny mpitandro filaminana lavanila tsy ara-dalàna tao Antanambao Dahoda any amin’ny distrikan’i Sambava ny talata lasa teo. Tamin’ny fisavana notanterahan’ireo manam-pahefana io tokantrano io dia mahatratra 452 kilao ny lanjan’izany lavanila izany. Rehefa nangatahana ny taratasin’ity entana ity ilay lehilahy milaza ho tompon’izany dia tsy nanana taratasy mazava momba io lavanila io izy. Fantatra koa anefa fa tsy mpamboly velively ity rangahy ity.  Nogiazana avy hatrany ao amin’ny biraon’ny zandary ao Sambava avokoa ireo vokatra ireo hatreto.

Telo lahy ihany koa no saron’ny polisim-pirenena nitondra lavanila tsy misy taratasy tany Andapa tamin’ny fiandohan’ny herinandro. Lavanila tamin’ny gony maromaro no hita teny amin’izy telo lahy ary fantatra fa lavanila halatra izany. Taorian’ny fanadihadiana natao azy ireo dia naverina any amin’ny tompony ireo vokatra ireo.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre