CNaPS Toamasina – Vita ny trano fonenana ho an’ny mpiasam-panjakana
Laharam-pahamehana ho an’ny Tahirim-pirenena momba ny Fiahiana ara-tsosialy (CNaPS) ny fanapariham-pahefana. Ankoatra ny fametrahana birao na tendro any amin’ny faritra dia nisy ihany koa ny fanorenana trano fonenana ho an’ireo mpiasa tao amin’ny renivohitry ny Faritra Atsinanana. Izany no natao dia mba hanamorana ny fanatontosan’ireo mpiasam-panjakana ny asany.
Anisan’ny sakana tsy mampazoto ny mpiasa hiasa any amin’ny faritra mantsy ny tsy fisian’ny trano fonenana na koa ny fahalafosan’ny hofan-trano. Nambaran’ny Tale jeneralin’ny CNaPS Arizaka Rabekoto fa tsy sazy ny fandefasana mpiasa hiasa any amin’ny faritra fa endrika iray entina anehoana ny fivoizan’ny CNaPS ny fanapariaham-pahefana. Nohavaozina ihany koa ny trano fandraisana olona ao Toamasina.
Nisy ny fanaovana sonia fiaraha-miasa teo amin’ny CNaPS sy ny CTM andaniny; ary ankilany ny CNaPS sy ny « Centre de ressources de travailleurs » (CRT). Voarakitra ao anatin’ity fifanaraham-piaraha-miasa ity fa anjaran’ireo mpikambana ao anatin’ity fiombonan’ny mpiasa ny manao drafitr’asa enti-manatanteraka ny fampiofanana izay nataon’izy ireo tamin’ny volana jona lasa teo. Anjaran’ny CNaPS foibe kosa no manampy ara-pitaovana sy ara-bola ny tetik’asa.
Nangonin’i Ericka
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







