Vous êtes ici :

Samedi 11 Mai 2024

ombre

Lavanila tsy ara-dalàna – Tratra tao anaty fiaran’ny zandary

Nikorontana ny fokonolona tao an-tampon-tananan’i Andapa ny andron’ny 4 jolay lasa teo noho ny nahatratrarana fiaran’ny zandarmaria nitondra lavanila tsy ara-dalàna teo amin’ny kaominina Ambodimangahely. Nandritra ny fisafoana nataon’ny andrimasom-pokonolona tao amin’io kaominina voalaza io ny 24 jona lasa teo no nahatratrarana ny fiara tsy mataho-dalana nitondra io lavanila io. Araka ny lalàna mifehy ny lavanila anefa mbola tsy fotoana tokony hivezivezin’io vokatra io amin’izao fotoana izao. Nogiazan’ireo fokonolona sy ny mpitondra tao Ambohimangahely avy hatrany io entana io noho izany. Tezitra tamin’izany anefa ny mpitandro filaminana ka nampiakatra ny raharaha. Nanomboka ny alatsinainy 29 jona lasa teo dia nisy ny fisamborana nataon’ny mpitandro ny filaminana ka  nahatratra am-polony mahery ny olona voasambotra tamin’izany ary anisan’izany ny ben’ny tanana, ny sefo fokontany sy andrimasom-pokonolona maromaro ary olona enina hafa.

 

Mitaky ny fialan’ny komandà

Manoloana io tranga io dia mitaky ny fialan’ny komandà ao an-toerana ny mponina ao an-tampon-tananan’ Andapa. Nanao diabe izy ireo niala ny kaominina Ambohimangahely nihazo an’i Betsakotsako ka namakivaky ny tampon-tananan’i Andapa sady nihirahira hoe « Avoahy i M. le Maire, miala i Commandant ». Araka ny fanambaran’ny mponina dia tsy misy olona ambon’ny lalàna. « Natao ho an’iza ny lalana ? » Io fanontaniana napetrak’ireo mponina ireo manoloana ity tranga

Mitaky ny hamoahana tsy misy atak’andro ny mpitondra azy noho izany ireo mponina any an-toerana manoloana ny tsy rariny mahazo azy ireo. Nampanantena ny hamoaka azy ireo kosa ny sefo distrika any an-toerana ary miandry izay ho tohin’ny raharaha ny mponina.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre