Vous êtes ici :

Dimanche 19 Mai 2024

ombre

Ambatondrazaka – Voasambotra ny jiolahy mpitana moara

Tamin’ny alalan’ny vaovao avy amin’ny olona tsara sitra-po no nahatratraran’ny mpitandro filaminana ao Morarano Kraoma Ambatondrazaka ny jiolahy raindahiny. Ity farany dia efa fanta-daza amin’ny halatra sy fanaovana taratasy sandoka. Efa fantatry ny zandary mialoha fa manana basy mahery kalaky ity olon-dratsy ity. Tsy hita tao an-tranony anefa io fitaovam-piadiana io nandritra ny fisavana natao fa moara lehibe iray sy ny fitomboka sandoka no hita tao. Rehefa nofinihina ireto fitomboka ireto dia fantatra fa sandoka ary nakana tahaka ny an’ny fokontany, kaominina ary zandarmaria any an-toerana. Araka ny fantatra dia io fitaovana io no fanaovan’ity jiolahy ity ny  taratasy sandoka. Ny mpivarotra sy mpividy omby ao Tsaratanàna, no tena ataony lasibatra.

Ity jiolahy ity dia efa nokarohina tamin’ny taon-dasa iny noho ny halatra vary milanja iray taonina.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre