Vous êtes ici :

Lundi 06 Mai 2024

ombre

Voafefy ny tany – Sahirana ny Fikambanana HTAM Andranobevava

Mandalo fotoan-tsarotra ny fifaninanana baolina kitra karakarain’ny Fikambanana « Hetsiky ny tanora Antananarivo fahadimy miray » (HTAM) eo amin’ny kianja Marais Masay Andranobevava satria lasan’ny mpanambola ny tany. Nanomboka tamin’ny taona 1992 ny Fikambanana no nanajary ny tany malalaka ao ambadiky ny toerana fialam-boly ho an’ny ankizy eo Andranobevava ho kianja fanaovam-baolina rehefa nahazo alalana tamin’ny tompon’ny tany. Tsy ny fikambanana HTAM ihany no nampiasa io kianja io fa teo ihany koa ireo sekoly eny amin’ny manodidina rehefa manao fanatanjahan-tena. Tanora maro no nahazo tombontsoa tamin’izany satria ankoatra ny maha fialamboly fifaninanana azy dia tanjon’ny Fikambanana HTAM ny hitaona ny tanora hiala amin’ny fahazarandratsy midoroka zava-mahadomelina.

Amin’izao fotoana izao dia ao anatin’ny fanatanterahana ny “Tournoi 2015” ny Fikambanana, hoy ny sekretera jeneralin’ny fikambanana Alexandre Ranaivoson nefa dia nosomparan’ny mpanambola nahazo ny tany izany ka tapaka tsy fidiny. Teo amin’ny tapa-bolana teo dia nanomboka namefy ny toerana ny orinasa miandraikitra ny asa atao eo, nanomboka nanao fanotofana izay tsy nisy ny filazana mialoha tamin’ny Fikambanana.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre