Fanamborana vola sandoka – Voasambotra Kotoson sy Jacquis
Ny sabotsy 4 jolay teo no saron’ny zandary tao amin’ny kaominina Androrangavola i Randrianjato Jacquis, 35 taona sy Rakotoarisoa Farelina na Kotoson, 46 taona, izay kalaza amin’ny fanaovana vola sandoka. Tratra saika hanaparitaka io vola sandoka io tany Marolambo izy ireo. Vola sandoka mitentina 3 tapitrisa ariary no saika atonta tany amin’io toerana io.
Tsy nahasakana ireo olon-dratsy hanohy ity asa ratsy ity ny fahafantarana ireo olona be dia be efa voasambotra noho ny raharaha vola sandoka. Tsy mionona amin’izany izy ireo fa mbola minia mikipy manohy hatrany io heloka bevava io. Araka ny fantatra dia ny 17 aprily 2015 lasa teo efa nisy olona tratra niaraka tamin’ny vola sandoka tao amin’ny tananan’i Sahakevo fa tafaporitsaka teo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana.
Ny borigadin’ny Zandarimariam-pirenena Marolambo no mandray an-tanana ny famotorana.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







