RN2 – Renault Express nopotserin’ny Kamiao sy Mazda
Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina ny lalam-pirenena faharoa ny takarivan’ny sabotsy teo, tamin’ny 7ora tany ho any. Fiara telo no indray nifandona teny amin’ny sampanan-dalana RN2-bis, avy any Tanandava hiakatra eto an-drenivohitra. Olona telo no naratra mafy tamin’izany.
Araka ny fantatra dia fiara Mazda “mini-bus” iray hikasa hody any Fanandrana no nahatonga ny loza. Nitrifana mafy ny mpamilin’ity fiara ity teo amin’ny sampanan-dalana voalaza etsy ambony ary tsy nahafehy ny hafainganam-pandehany raha saika hijanona rehefa nahita ny fiavian’ny fiara vaventy iray teo alohany. Nisy fiara kely iray Renault Express kosa teo alohan’io Mazda io izay nifatratra avy hatrany teny aminy ka voapotsitra teo anelanelan’ny kamiao sy ilay Mazda ilay fiara kely.
Potika tsy nisy raisina ity farany ary naratra mafy ireo mpivady tao anatiny. Vehivavy iray hafa nandeha tamin’ilay fiara Mazda ihany koa no naratra mafy sady tsy nahatsiaro tena. Nandositra avy hatrany kosa ilay mpamily fototry ny loza niaraka amin’ny mpanampy azy.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







