Toamasina – Tovovavy maty tanaty dobo filomanosana
Maty tsy « tra-drano » ny tovovavy 18 taona raha nilomano tao amin’ny dobo filomanosana iray. Tsy fandraisana andraikitra ny mpikarakara no fantatra fa nahatonga ny loza. Tao amin’ny trano fisakafoanana « Le bateau ivre » ao Toamasina no nitrangan’izany loza izany ny tolakandron’ny alatsinainy teo. Tsy mahay milomano ity tovovavy ity ary no fiofanany amin’izany. « Mbola vao mianatra milomano izy ka raha vao nitsoraka dia tsy nivoaka intsony hany ka sempotra », araka ny fanazavana voaray hatrany.
Teo anatrehan’izany anefa dia nitazam-potsiny ny mpikarakara nanentana azy mbola ho tafarina avy ao ka izao niteraka famoizoina aina izao. Araka ny nambaran’ny loharanom-baovao voaray dia tsy vao sambany ny loza tahaka izao no nitranga tao amin’ity toeram-pisakafoanana ity. Efa fanindroany ity dobo filamanosana ity no nahafatesana olona. Zanaka mpanao politika ao Toamasina ity tovovavy maty ity araka ny fantatra hatrany. Milaza ny tsy hipetra-potsiny amin’izao manjo azy izao izy araka ny fanambaran’ny akaiky azy. Andrasana araka izany ny ho tohin’ny raharaha. Etsy ankilany kosa, misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro ny filaminana.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







