Milaza ho mahay manarim-bintana – Mpisoloky iray eo am-pelatanan’ny polisy
Milaza ho mahay manatsara fidiram-bola, manamboatra sy manarina vintana ary mampanakarena ao anatin’ny herinandro monja ity lehilahy ity. Hany ka mihazakazaka ny olona manantona azy. Mangataka ireny zavatra saro-bidy toy ny volamena, vola an-tapitrisany sy ny rehetra ao an-trano ity mpisoloky ity. Noho ny fitiavana hampandroso anefa dia manaiky izay angatahiny ireo olona sady mampiasa irony ody ratsy irony izy. Tapitra anefa ny fe-potoana fa tsy mahita vokatra ireo mitady izany. Efa maro ny olona lasibatr’ity lehilahy ity, nefa tsy vitsy ireo olona resy lahatra. Vehivavy telo efa voasolokiny no sahy nijoro vavolombelona ary nametraka fitarainana teny amin’ny polisim-pirenena ao Toamasina. Nisy noho izany ny velam-pandrika nataon’izy ireo mba hahatratrarana ity lehilahy milaza ho mahay raha ity. Taorian’ny fikarohana nataon’ny polisy dia sarona tamina trano fandraisam-bahiny iray tao Toamasina ity lehilahy ity. Nandritra ny fisamborana azy dia sarona niaraka taminy ireo ody gasy ampiasainy sy zava-mahadomelina vitsivitsy.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







